Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy maneran-tany na ny Fi.Mpi.Ma, 62 taona niorenana. Nisy ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ity fikambanana ity sy ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina…
Notanterahina, omaly, tao amin’ny efitrano malalaky ny Havoria etsy Anosy ny lanonana ho fanokafana ny fankalazana ny faha-62 taonan’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy maneran-tany na ny Fi.Mpi.Ma maneran-tany. Anisan’ny nisongadina tamin’izany ny nanambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Gascar Fenosoa, ny vokatry ny fifanaraham-piara-miasa eo amin’ny minisitera iadidiany sy ny Fi.Mpi.Ma maneran-tany.
Ireo mpianatra na mpiofana nahavita fianarana na fiofanana ka mendrika ny hotolorana ny mari-pahaizana na ny « Cerificat », araka ny mason-tsivana napetraky ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy maneran-tany, dia ny fitomboka mena na « cachet rouge » no ampiasaina amin’izany. Nomarihin’ity tompon’ andraikitra voalohany eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ity fa mbola ny Fi.Mpi.Ma maneran-tany ihany aloha no ahitana izany raha eo amin’ny tontolon’ny kabary.
Tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoana omaly,
ihany koa ny « Takalo dinika amorom-patana » izay nanazavan-dRanjatohery Harilala sy Nalisoa Ravalitera (samy Renala Fi.Mpi.Ma) ny lohahevitra : « Ny soatoavina malagasy sy ny fanatontoloana ». Nambara teny an-toerana fa tsy azo ialana ny fanatontoloana. Iray amin’ireo fiovana hoentiny ny « maika lava ». « Na izany aza, tsy tokony ho maika ho any an-kady fa tokony hanatratra ny tanjona kendrena », hoy ny fanazavan’ireto mpandaha-teny. Nohamafisin’izy ireo ihany koa ny fisian’ny fanahy ao anatin’ ny teny malagasy.
Nisy ihany koa ny fifanolorana fanamarinam-piofanana teo amin’ny minisiteran’ny
tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy sy ny Fi.Mpi.Ma maneran-tany vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta. Nofaranana tamin’ny fanolorana mari-boninahitry ny kanto sy soratra ary kolontsaina ny lanonana omaly.
HaRy Razafindrakoto




