Tena atao izay lazaina

 

Tena atao ve izay lazaina ary lazaina izay atao amin’ izao? Izay no isian’ny fifampitokisina marina amin’ity hoe fanavaozana, fanovana, fanorenena ifotony. Tsy moramora sy vita vetivety ao anatin’ny fotoana fohy ary tsy efan’ny irery. Nefa tsy maintsy atrehina, atomboka, irosoana, iaretana… Mby aiza? Tsy ananan-kavana na namana ny raharaham-pirenena. Mby amin’ny hoe ny ao an-trano mitatitra ny raharaha, ary ny any alatrano mangarangarana? Tanàna tsy ilaozan’adala, ary tsy misy setroka tsy misy afo. Tsy ny fositra koa no tsy ambolem-boavahy amin’izay vavan’ny olona.
Saro-pady izao lalana lalovan’ny firenena izao. Naman’ny mandeha an-kilahila ihany ny hoe eo ambony tetezana? Mora na mety mitolila, mihozongozona, tsy azo vesarana izay tsy zakany… Tsy vitan’izany, tsy tsara ny mitakerikerika fa ny mandroso mankany aloha hatrany no mety. Aleo mandeha miadana azo antoka? Ny lalana no izorana, ny atao no atao. Tsy moramora ary maromaro rahateo ny fanamby: ady amin’ny kolikoly, ohatra, ady amin’ny tsimatimanota, ady amin’ny fandrobana harem-pirenena, ady… Tena atao? Mila fahatokisan-tena, fahasahiana, fahavonona, faharetana…
Misy tambajotra ny fanaovan’ny sasany asa ratsy? Iraisana tsikombakomba, ifampiarovana, ifanampiana… Mba aiza kosa ny tambajotran’ny tsara sitrapo? Ifanomezam-baovao, ifanomezan-tanana, ifanomezan-kevitra… Misy miady irery, fa misy koa ny manao ny ataony ihany. Tampohin-javatra? Na zatra ny lalan-dririnina, na manan-kavana… Mila fitandremana sy fifanaraha-maso ary fifampitenenana. Ndrao tsinay homana aty? Na am-boalohany ihany no mody izao na izatsy, fa tanana zatra mitsotra tsy afa-mivonkina intsony. Misy izany? Izay no itandremana sy ifampitenana. Tena atao izay lazaina.

R. Nd.

Partager sur: