Depiote Milavonjy Philobert: “Tokony hohafainganina ny fikaonandoham-pirenena”

“Ny antso avo ataonay matetika avy aty amin’ny fanoherana: ny hirosoana sy hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena, izay efa nolazain’ny avy amin’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repobli­kan’i Madagasikara. Heveri­nay fa izany no tokony hatao faran’izay haingana”. Io ndray no nambaran’ny lehiben’ny fa­noherana sady filoha lefitra fa­hafito eny anivon’ny Antenimi­erampirenena, ny depiote voa­fidy tany Ambovombe Androy tamin’ny anaran’ny Irmar, Milavonjy Andriasy Philobert, teny Tsimbazaza, omaly, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Mba hahazoana miroso amin’ny fifidianana izany, hiverenana indray amin’ ny ara-dalàna.
Raha harahina ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), mazava fa ny fanomanana ny fifidianana no fahefana nomena ireo eo anivon’ny Fanavaozana. Tsy maintsy misy ny fifampiresahana ny amin’izay fifidianana izay amin’ny alalan’ny fanatanterahana fikaonandoham-pirenena. Ny fanatanterahana an’izay no vahaolana, hahazoana mi­verina amin’ny ara-dalàna. Raha ny zava-misy tazan-dry zareo, araka ny nambarany: eo ny fihetsiketsehana ataon’ireo antoko politika manoloana an’izay fifidianana izay. Efa misy ny fameloma-maso ny antoko hiatrika fifidianana. Zony tanteraka izay amin’ny maha antoko azy: mandray fa­hefana amin’ny alalan’ny fifidianana. Tsy tonga ny fanatanterahana an’izay, raha tsy misy aloha ny fifampiresahana ary ny fitoniana sy ny filaminana eto amin’ny firenena.

R. Nd.

Partager sur: