Hatolotry ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama ny Antenimierampirenena, anio, ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Hifandraika amin’ireo fototry ny fanavaozana izany: fanamafisana fahaiza-manao sy ny fangaraharana, ny ady amin’ny kolikoly sy ny fahalovana, fiantohana ny maha repoblikanina ny andraikitry ny Foloalindahy, famolavolana rijanteny fototra hitantanana ny Repoblika vaovao, fanomanana fitsapankevi-bahoaka…
Raha hanao fihaonambem-pirenena ho amin’ny fanavaozana i Madagasikara, manahirana ny mahita hoe ny Fikambanana iraisam-pirenena frankofonia (OIF) no hamatsy vola, araka ny nambaran’ny filohan’ny antoko Otrikafo, teny Andravoahangy Ambony, omaly, Ny Frantsay izany no ambadiky ny hoe OIF. Nefa ny fanavaozana dia hoe: ahoana ny hamahana ny geja ataon’ny vahiny? Olana izay. Mbola izay ny safidin’ny fitondram-panjakana amin’izao.
Noraisin’ny Antenimierampirenena, teny Tsimbazaza, omaly, ireo mpikamban’ny sendika telo eny anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ivondronan’ny mpitsabo sy ny mpitsabo mpanampy ary ireo mpiasa tsotra. Nambaran’ny filohan’ny vaomieran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny fandrindram-pianakaviana, Dr Rajaobelina Lova Herizo, fa fanamafisana ireo fitakiana fanovana teny an-kianja no vontoatin-dresaka tamin’izany.




