Nandritra ny fanokafana ny fankalazana ny faha-62 taonan’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany no nanatanterahana ny velakevitra: « Ny soatoavina malagasy sy ny fanatontoloana ». Fotoana nanehoan-dRanjatohery Harilala, akademisianina sady mpahay tantara, ny heviny. « Manana soatoavina mampiavaka antsika Malagasy isika. Tahaka ny fihavanana izay ventesintsika mandrakariva. Mazàna anefa no toa tsy omentsika lanja na heverintsika ho efa nilaozan’ny toetrandro izany. Aleontsika mitomany randrana manendrika ny hafa izay atobaky ny fanatontoloana manodoka ny masontsika ».
Nohamafisiny fa : « ny fiorenantsika amin’ny foto-pahendrena navelan’ny razana, sy fahaizantsika manivana ny sahaza sy ny tokony ho tandrify antsika amin’ny endri-pivoarana misy amin’izao vaninandro iainantsika izao no miantoka ny hahafahantsika mandroso amin’ny endri-pandrosoana tsy hamitaka sy hamotika antsika ».
Nanteriny hatrany ny : « tsy hangetahetana ambony lakana amin’ny fisitrahana ny fivoarana atolotry ny andro ankehitriny eo anatrehantsika, kanefa koa tsy hanao rapadango amin’izay heverina ho zava-baovao; ary tokony hataontsika zava-dehibe hatrany ny miorim-paka amin’ny soatoavina ananantsika. Ny firenena mitana sy miaina ny maha izy azy no afaka manana ny toerany sy hasina eo anivon’izao tontolo izao, miara-mihazakazaka ao anatin’ny fanatontoloana ».
HaRy Razafindrakoto




