Hiverina ny fandaharana « Torak’Hehy ». Vaovao lehibe ho an’ny mpankafy an’ity fandaharana mampihomehy sy mampiala voly, nampalaza ny fahitalavitra TVM tamin’izany fotoanany ity, izany. Ry zalahy ao amin’ny tarika Fou Hehy no nampiaina ny fandaharana « Torak’Hehy », izay naka endrika tantarakely mampihomehy, mandeha isan’andro. Enjehin’ny mpianakavy mihitsy ny lera handehanan’ny fandaharana taloha, ary inoana fa mbola andrasan’ny maro izany amin’izao fiverenany izao.
Nodimandry i John Wilson Ralaifanomezantsoa. Mpanakanto mpitendry gitara no nahafantaran’ny maro azy, indrindra tao Mahajanga. Niara-niasa tamina mpihira maro koa izy, ankoatra ny maha mpampandihy sy mpanafana « cabaret » tao amina toeram-pialamboly maro tao Mahajanga azy. Mpampianatra mitendry gitara ihany koa anefa no tena nampalaza an’i John Wilson. Izy no miandraikitra ny fampianarana gitara tao amin’ny sampan’ny EGM Mahajanga. Maro ireo mpianany no efa mpitendry matihanina amin’izao fotoana.
Mbola handray anjara amin’ny faha-30 taonan’ny tarika North & Center i Marion. Anisan’ireo nambarany nandritra ny fampisehoana goavana izay notontosainy, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izany. Fotoana izay nanasany ireo mpanakanto namany marobe io, toa an-dry Spesialista, Raboussa, Agrad, Big Mj, Kilowatt, sns. Mariky ny fifanohanana sy firaisankina misy eo amin’ireo mpanakanto indray nihira, nalaza tany amin’ny fiandohan’ny taona 2000 avokoa izany.




