Mazava aloha ny tondrozotra izoran’ny fitantanana ny raharaham-panjakana, manomboka izao. Miasa avy hatrany anatin’ny fitsitsiana. Natomboka tamin’ny fampihenana ny vola hoenti-miasa eny anivon’ny minisitera isanisany izany. Ny fanabeazam-pirenena irery no nahazo ny fampitomboana noho izy heverina fa fototry ny fanavaozana. Omen-danja ny mpanabe!
Anisan’ny paikady iray, mahomby, ny fahaizana mifehy ny zava-drehetra anaty sedra na fahasarotana. Kolontsaina tsy maintsy asiana fanamboarana rahateo ny momba ilay fialana amin’ny tsy fahampian’ny hoenti-manana sy ny fitaovana. Fomba fiasa izay tsy nahitam-bokany hatrizay ny fialana bala, mitarika amin’ny fampikatsoana ny raharaham-panjakana.
Marina mihitsy ny voalazan’ny kolonely, sady filoham-panjakana fa toe-tsaina sy toe-panahy no mila ovaina voalohany. Rehefa izay no tanteraka, mora ho azy ny mamadika izany ho hery sy angovo miabo hoenti-miasa. Mampitsiry finiavana sy fitiavana miasa ny fahatsapana fa tomponandraikitra tsy terena ny tsirairay. Hafa mihitsy ny miasa am-pitiavana.
Tsara ho marihina fa tena fositra manimba ny fiarahamonina, ankehitriny, ny resa-bola. Tsy misy tsy nandoavam-bola, eny fa na ny manontany ora eny an-dalambe aza ahazoana ilay hoe: « mametraha kely ». Nivadika ho fiarahamonina feno kolikoly. Nanjakan’ny tsindrihazolena nataon’ny mpanambola ny andavanandrom-piainan-dRamalagasy. Tena hoe tsy nisy izay tsy nandoavana sarany.
Manoloana izany, tena mila esorina hatrany amin’ny fakany ilay fiheveran-diso fa « tsy misy tsy vitan’ny vola » na hoe « miankina amin’ny vola daholo ny zava-drehetra ». Areti-mandoza, mamarina ilay firenena any an-kady izany. Fanetriben’ny firenena. Fomba amam-panao ratsy sy lo. Mitaky fahasahiana izany fa tsy ho sakana velively ny « olana ara-bola »
r.r




