FANTINA sy FINTINA

Anisan’ireo depiote niatrika ny fivorian’ny Antenimierampirenena, Andriamananoro Augustin, omaly, raha tsy tazana teny an-toerana teo aloha. Marihina fa efa tsy filoha lefitry ny Antenimierampirenena ho an’ny faritanin’Antananarivo intsony ity solombavambahoaka avy amin’ny Irmar, voafidy tao amin’ny boriborintany voalohany ity, amin’izao fotoana.

Nampitandrina ny minisitry ny Fitsarana, Fani­risoa Ernaivo, fa tsy azo atao ny mangataka na mandray vola eny anivon’ny fonja. « Tsy ara-dalàna raha misy izany, koa entanina ny fianakavian’ireo voafonja mba hitoroka raha sendra mahita izany tranga izany », hoy izy. Nitsidika tampoka teny Antanimora ny tenany ary nanao io fanambarana io.

Naneho ny heviny ny mompera Fitiavana None. Tafahoatra ny fandaniam-bolan’ireo Andrimpanjakana, araka ny nambarany. Anisan’izany ny Antenimiera roa tonta, ny HCC… « Atao mitovy amin’ny karaman’ny mpia­sam-panjakana ny karaman’ireo depiote fa lasa hiazakazahan’ireo mpanao politika noho ny tombontsoa maro sitrahana ao », hoy izy.

Nidina an-dalambe ny vahoakan’ny kaominina Andriamena, Tsaratanàna, omaly. Takin’izy ireo ny fialan’ny ben’ny Tanàna sy ny delege amin’ny toerany. Nohitrikitrihin’ireo vahoaka fa manao kolikoly sy mam­botry vahoaka ireo voatonona ireo. Tsiahivina fa efa roa izao ireo ben’ny Tanàna nametra-pialana.

Partager sur: