Politika ankapoben’ny fanjakana : Maika ny fikaonandoha sy ny fifidianana filoham-pirenena

Naseho ampahibe-maso teny amin’ny Antenimierampirenena, omaly, ny Politika ankapoben’ny fanjakana ho amin’ ny fanavaozana. Lohalaharana sy maika ny fikaonandoha sy ny fifidianana filoham-pirenena.

Fikarakarana fifidianana marina sy mangarahara ary handraisan’ny rehetra anjara no fanambin’ny go­vernemanta vaovao. Ni­voitra izany nandritra ny fanehoan’ ny Praiminisitra Rajao­na­rivelo Herintsalama ny fampiharana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ho amin’ny fana­vaozana teny amin’ny Anteni­mieram­pire­ne­na, Tsimba­zaza, omaly. Dra­fitra stratejika hitantanana ny raharaham-panjakana mandritra ny Tete­zamita izany.
Dingana lehibe telo no ha­natanterahana ny PGE. Eo ny fikarakarana fikaonandoham-pirenena handraisan’ny rehetra anjara, ny fanavaozana ny didy aman-dalàna momba ny fifidianana sy ny antoko poli­tika ary ny fanavaozana lalina ny Ceni. “Tanterahina misesy aorian’izay ny fitsapankevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana sy ny fifidianana filohan’ny Repoblika hamaranana ny dingan’ny fanavao­zana’’, hoy izy.

24 volana raha ela
Mandritra ny 24 volana farafahelany ny tetiandro. Volana voalohany ka hatra­min’ny fahenina ny fikaonandoham-pirenena, izay fanahin’ ny fanavaozana ifotony fa se­hatra hanangonana ny hevitra na ny ahiahy aza avy amin’ny sokajin’olona rehetra. Faha­roa, fanavaozana ny rafitra ara-pifidianana sy ny momba ny antoko politika, ny volana fahe­nina ka hatramin’ny faha-12, izay avy amin’ny tolo-kevitry ny fikaonandoham-pirenena. Ny volana faha-12 hatramin’ ny faha-15 ny fitsapankevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana. Ny volana faha-15 hatramin’ny faha-18 ny fifidianana filohan’ny Repoblika, aorian’ny fanavaozana lalàm-pifidianana sy ny fitsapanke­vi-bahoaka. Ny famindram-pahe­fana, ny volana faha-18 hatramin’ny faha-24, izay hifara­nan’ny Tetezamita. Mandri­tra ny fanatanterahana ireo dingana tsirairay ny loharanom-bola. Azo hahitsy ny tetiandro raha ilaina, araka ny vokatry ny fikaonandoham-pirenena.

R. Nd.

Partager sur: