FANTINA sy FINTINA

Nosalorana ny samboady maha loholona azy, i Bevoavy Joel. Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ Anosikely ny lanonana momba izany. Tsiahivina fa misolo ny loholona teo aloha, lasa minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Raharinirina Sidonie, ity loholona vaovao ity, manomboka izao.
Nambaran’ny Praiminisitra, Rajaonarivelo He­rin­tsalama, fa tokony hatsahatra amin’izay ireo fitakiana eny an-dalambe sy fanambarana etsy sy eroa. « Efa hisokatra ho an’ny rehetra ny fikaonandoham-pirenena ahafahana maneho hevitra sy itondrana ny hetaheta samihafa », hoy izy, tetsy Anosikely, omaly.
Hentitra ny depiote « Del kely » manoloana ny hevi-diso voizin’ny sasany. Nambarany fa aleo ny antoko hanao ny asa amin’ny maha antoko azy. Zo sy adidin’izy ireo ny manao fameloma-maso sy kongresy. « Manana mpikambana eny ifotony ny Tim matoa marobe mamaly ny antsony. Tian’ny olona izy izany ary tsy matikambo izahay fa zava-misy izany », hoy izy.
Hentitra ny filoham-panjakana, ny Kly Ran­drianirina Michaël. « Ny mpitsara sy ny fitsarana no andry voalohany momba ny ady amin’ny koliloly », hoy izy tamin’ny fanokafana ny fivorian’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara, teny Iavoloha, omaly. Tanjona amin’ny fanavaozana ny hamerenana ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny fitsarana, araka ny nambarany.

Partager sur: