Hosokafana ny tolakandron’ny sabotsy 22 novambra izao ny taom-piantsana 2025-2026 ho an’ny Faribolana Sandratra. Amin’ny alalan’ny antsam-paribolana nampitondraina ny lohateny « Antso laitra », ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy, tohatohabaton’Antaninarenina (CGM), no hanatanterahana izany.
Araka io lohateny io, tsy hanalavitra ny tontolon’ny fianarana ny lohahevitr’ireo tononkalo hohantsaina amin’io fotoana io. Mahatratra 30 ny isan’ny tsanganasa nofantenan’ny mpiraifaribolana eto Antananarivo sy avy any amin’ny faritra hoentina eny an-tsehatra. Anisan’izany ny sanganasan-dry Lova Santatra, Mahefa, Tiavina, Avelo Nidor, Ridza Ngaly, Toky, Meva, Riva, Tolotra A, Randja Zanamihoatra… Iray amin’ ny hampiavaka ity fanokafana ny taom-piantsana ity ny fiverenana eny an-doharano, hotanterahin’ireo mpiantsa. Toy ny mahazatra, hisy ny fotoana omena ny mpianoka izay ho tonga eny an-toerana, hanontaniany ireo mpiantsa. Hifanakalozan-kevitra momba ny lohatenin’ny antsa sy ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina, indrindra fa ny soratra. Tsy hisy rahateo ny vidim-pidirana.
Faribolana Sandratra, ivondronan’ireo mpanoratra sy poeta manome hasina ny tontolon’ny soratra. Iray amin’ireo asa sahaniny ny fampivelarana ny talentan’ny tsirairay. Mametraka ho zava-dehibe ny fifanakalozana sy fifampizarana eo amin’ny samy mpikambana (mpiraifaribolana).
HaRy Razafindrakoto




