“Festival Sagam”: Manandratra ny Salegy sega i Rayhas

Mpanakanto marolafy. Za­na­k’i Donné, mpikambana ao amin’ny tarika Randria Ernest, no tena nahafantarana an’i Rayhas Randria­manan­tena. Nanokatra ny lalany teo amin’ny fitrandrahana ny tsenan’ny zavakanto iraisam-pirenena izany, satria ankoatra ny maha mpihira sy mpitendry karazan-javamaneno azy, manan-talenta ma­nokana amin’ny fandihizana sy ny famoronana sora-dihy koa izy. Anisan’ireo voafidy hisolo tena an’i Madagasika­ra, mandritra ny andiany fa­hafito amin’ny “Festival Inter­national Sa­gam”, hetsika ho an’ny soradihy aty amin’ny fa­ritry ny ranomasimbe Indiani­na, izay tontosaina manomboka anio, any amin’ny Nosy Maurice, hatramin’ny 23 no­vambra izao, izy.
“Salegy sega”. Sangana­san’i Rayhas, no hasehony mandritra ny seho handraisany anjara. Araka ny anarany, fampivadiana ny salegy, mo­zika, gadona ary dihy tena ma­lagasy, amin’ny sega izy ity. Niarahan’ity Malagasy mpanakanto ity niketrika ta­min’ny Cie SR Dance, ka na­nome ny soradihy vaovao. Hisy ihany koa ny atrikasa ho an’ireo ankizy sy tanora maorisianina, hampitan’i Rayhas amin’izy ireo ny traikefany amin’ny dihy nentim-paharazana malagasy.

Zo ny Aina

Partager sur: