Filoham-panjakana, Kly Randrianirina Michaël: “Omena fahalalahana tanteraka ny FFKM”

Nanomboka omaly, haharitra hateloana ny fikaonandoha kristianina. Nanokatra izany ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël. Ity farany izay manome fahalalahana tanteraka ny FFKM amin’ny fanomanana ilay dinika nasionaly.

Nambarany fa zava-dehibe ny hetsika tahaka izao fa mitondra any amin’ny fanorenana ifotony iarahana manao. « Tafiditra ho anisan’izany fanorenana izany ny fanovana ny toe-tsaina. Fa ny fanahy koa mila ovana ahafahana manaraka ny lalàn’ Andriamanitra », hoy izy. No­tsiahiviny fa efa miasa koa ny eo anivon’ny FFKM amin’izao fotoana izao ary nomena fahalalahana tanteraka izy ireo hanatanteraka izany. Mana­raka sy manampy ny fiangonana ny fitondram-panjakana amin’izany, araka ny nambarany. « Miainga amin’ny feon’ny vahoaka eny ifotony ny dinika rehetra ary entina sy ampiakarina aty amin’ny se­hatra nasionaly avy eo amin’ ny alalan’ny fikaonandoham-pirenena havoaka ho tondrozotra», hoy izy. Nanteriny fa santatry ny fikaonandoham-pirenena izao ary hipetraka eo amin’ny tantaram-pirenena.
Tanjona ny hahafahan’ny rehetra avy amin’ny fiangonana sy ny fikambanana kristianina tsy ankanavaka miara-midinika sy mifampizara hevitra momba ny fiainam-pirenena eo amin’ny sehatra rehetra.
Nohamafisiny ny maha zava-dehibe ny fanehoana ny mangarahara amin’ny famoahana ny harem-pirenena mba ho hitan’ny vahoaka malagasy. « Mifototra amin’ny fanompoana sy fanampiana vahoaka ny asanay. Vonona ho amin’ny fanoloran-tena amin’ny fitondrana ny firenena. Hifam­pidinika manoloana ireo an­draikitra mavesatra natolotra anay », hoy izy.

Toekarena, politika, teknolojia
Etsy andaniny, nanambara kosa ny mpikarakara ny fikaonandoham-pirenena kristianina, miaraka amin’ny Fikam­banana mpampiely Baiboly, fa nifanaiky ny fiangonana sy ny mpino ary ny fikambanana miaraka amin’ireo «Dias­pora» fa hifandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara.
Iaraha-mahalala ny zava-misy ka ilàna fijoroana miaraka amin’ny lohahevitra maromaro, araka ny nambaran’izy ireo. Anisan’izany ny momba ny fianakaviana, ny fanabeazana, ny zavakanto, ny tontolo iainana. Eo koa ny teknolojia, toekarena sy ny politika, ny fivavahana, ny serasera.

Synèse R.

Partager sur: