Rallye ASACM: 29 ireo hifaninana

Hotanterahina manomboka rahampitso hatramin’ny alahady 23 novambra ho avy izao ny Rallye Asacm. Dingana fahadimy amin’ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny familiana fiarakodia ity hatao ity. Hisy 29 ireo mpanamory handray anjara sy hiady ho lohany amin’ity. Anisan’ireo hiatrika izany i Mathieu sy i Heri Possible, mpanamory avy amin’ny klioba Asacm, mitondra ny fiara Subaru N11. Mitarika vonjimaika aloha izy mirahalahy ireto eo amin’ny filaharana ary vonona ny hanamafy izay toerana misy azy ireo izay. Eo koa i Aro Kiady sy i Elvis D, avy amin’ny Asacm ihany, miaraka amin’ny fiara Subaru N16. Andrasana koa i Olivier sy i Njara amin’ity rallye ity.
Mirefy 328, 44 km ity Rallye Asacm ity, misy dingana manokana “ES” miisa 12, manana halavirana 140, 50 km. Misy dingana manokana efatra isaky ny andro hanaovana ny fifaninanana ka fohy izany raha ho an’ny andro voalohany. Hotontosaina ny sabotsy sy alahady kosa ireo lavalava. Anisan’ny lava ny mampitohy an’Antsahalava sy Ambodi­manga, hiverenana indroa “ES 6” sy “ES 8”. Hanana ny lanjany ity fifaninanana ity, satria hamaritra izay ho tompondakan’i Madagasikara 2025.

Tompondaka

Partager sur: