SOMBIM-BAOVAO

Notontosaina omaly ny lanonana goavana hanomezana mari-pankasitrahana an’ireo mpilalao sy mpanazatra afrikanina. Manana solontena hofidina amin’izany i Madagasikara, dia ny Coach Rôrô, izay tafiditra anatin’ireo mpanazatra mendrika indrindra aty Afrika sy i Fely, hofidina ho anisan’ireo nampiditra baolina tsara indrindra tamin’ity taom-pilalaovana 2025 ity.

Araka ny fikarohana natao omaly, tao anaty tambajotran-tserasera, fantatra izao fa nifindra ao amin’ny klioban’ny AS Fanalamanga i Carlos sy i Fely. Samy mpila­laon’ny Fosa Juniors FC teo aloha avokoa izy mirahalahy ireo. I Carlos, izay nilaravinahitra tany Seychelles teo aloha teo. Tsiahivina fa samy efa nitondra avo ny ekipam-pirenena Barea Chan izy mirahalahy.

Partager sur: