Jly Ravelonarivo angelo: Nesorina tsy ho prefen’Antananarivo

Voatendry ho prefen’ny Polisy Antananarivo, Rajafetra Abraham Setraniaina Solo­manjaka, araka ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly, nampitain’ny eo anivon’ny Fiadidiana ny Fana­vaozana ny Repoblika, omaly. Araka izany, nesorina amin’ny toerany ny Jly Ravelonarivo Angelo, izay efa nifona ampahibemaso tamin’ny tsy fanokafana an’Ambohijatovo nanomboka ny 25 septambra. Vao mainka nampitombo sy nanamafy ny fitakiam-bahoaka i­zany? Administratera sivily andiany faha-24, nivoaka ta­min’­ny Enam, ny prefen’ny Polisy vaovao. Efa sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Ati­tany izy teo aloha, sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Ton­tolo iainana ihany koa.
Ho fampiharana ny politikan’ny fitsitsiana sy hialana amin’ny fandaniana mihoapampana, tapaka fa hataon’ny minisitera tsirairay ny fitoka­nana zava-bita: tsy voatery miandry ny filohan’ny Fiadi­diana ny Fanavaozana. Noso­loina avokoa ireo lehiben’ny distrika enina, Antananarivo Renivo­hitra. Nisy koa, ohatra, ny famindram-pitantanana ny fiadidiana ara-teknika ny tetikasa Miami, Toamasina, eo anivon’ny minisiteran’ny Fiza­hantany sy ny asa tanana. Ny famindram-pitantanana ny fiadidiana ny Kianja Barea eo anivon’ny minisiteran’ny Ta­nora sy ny fanatanjahantena. Nora­isina ny didim-panjakana ma­me­traka ny rafitra sy ny fandidiana ary ny andraikitra sy ny fahefan’ny fokontany. Noten­drena ho sekretera je­neralin’ny minisiteran’ny Se­rasera sy ny kolontsaina Ra­so­lofo­ari­jaona Miary, ho tale jenerelin’ny ORTM i Lemana Nalim­binja­naharin’Ainasoa Festin Elisée, ho talen’ny RNM Ra­soloarison Harimbola Monica ary ho talen’ny TVM, Randria­niaina Miorahasina Lorah.

R. Nd.

Partager sur: