Manomboka sahady?

 

Nahoraka tato ho ato ny karazana fifamelezana fantsy ataon’ny samy mpanao politika. Tsy afapo tamin’ny fanesorana ny mpitondra teo aloha ny sasany, fa mitady ny hifanipaka an-karona sahady. Mahavariana ny mihaino ny fifamaliana tsy mivantana ataon’ireo noheverina ho mpitari-tolona amin’ny alalan’ny haino aman-jery. Ny laha­teny imasom-bahoaka izany dia efa tsy misy ankitsi­tsy.
Raha ny fivoaran’ny toe-draharaha dia tena samy maka ho azy ny rehetra. Anatin’ny fiketriketrehana ny afaka roa taona avokoa. Mikajikajy ny 2028, izay mety hanaovana fifidianana ho filoham-pirenena. Tsy misy mivaky loha amin’izay tolona niraisana intsony izao fa samy nahita hirika ny mba hivelomana indray.
Samy misora-tena ho tompon’ny tolona ny rehetra ka mihevitra fa tompon’ny teny farany amin’izay fanapahan-kevitra raisina eto an-tanàna. Efa misy Filoha dimy lahy be izao ny firenena ankehitriny, angamba tsy hoe hanaotao fahatany izy ireo. Miaramila no hatao, ady no hatre­hana ho an’ny tanindrazana. Iza no hilaza fa mahavita noho izy dimy lahy?
Aleo asiana tsindrim-peo mafimafy mihitsy anio, fa tena ohatrany hadino tanteraka ilay fanavaozana nilokalokana. Mibaribary fa ny olona no nesorina mba hakana fahefana sy hanjakazakana. Fifandimbiasan-tseza ny an’ny sasany fa tsy finiavana ho an’i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy.
Tsy maintsy ahontsana sy sintonina ny lakolosy mba hialana amin’ny fifamahanan-dalitra sahady. Mila mam­piray feo ny olon-drehetra, nilaza fa mpitolona hialana amin’izao fifamitahana be vava izao. Mbola porofoin’ilay mpanao politika ilay fanao efa lo sy niadiavana hatrizay hoe: “ Izaho aloha vao ianareo”.
Manomboka kivy sy mampiaka-peo ireo mpitolona, saingy toy ny teo ihany no miverina!

r.r

Partager sur: