Politikan’ny fitsitsiana : Anjaran’ny minisitera ny mitokana zava-bita

Anisan’ny nivoitra tamin’ny filankevitry ny minisitra afakomaly, teny Iavoloha, ny hampiharan’ny fitondram-panja­kana ny politikan’ny fitsitsiana, manomboka izao.

«Tsy voatery hiandry ny filohan’ny Fana­vaozana ny Repo­blika avokoa ny fitokanana sy ny fanombohana tetikasa eny ifotony na any amin’ny faritra », araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra, afako­maly, teny Iavoloha. Tafiditra amin’ny fampiharana ny politikan’ny fitsitsiana irosoan’ny fitondram-panjakana izany sady fialana amin’ny fanda­niana mihoapampana ary koa ireo fivezivezen’ireo tomponandraikitra marobe, araka ny tatitra hatrany.
Midika izany fa ireo minisitera tsirairay ihany no hanatanteraka mivantana ny lanonana sy ny fanokafana ireo asa vita na koa tetikasa eo amin’ny sehatra misy azy avy.
Nambaran’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra fa tanjona amin’izany ny hampandeha haingana ny asa fampandrosoana sy ny hanakaikekezana kokoa ny vahoaka amin’ny vokatra azo tsapain-tanana.

Fihaonana tsotra sy asa ary famahana olana…

Anisan’ny efa nampihatra izany ny mpiara-miasa amin’ ny filoham-panjakana raha ni­tsidika ny tany amin’ny faritra Atsinanana, ny herinandro teo. Noravana avokoa ireo tranoheva sy fitaovana maro­maro tokony handraisana azy ireo ary koa ny famoriam-bahoaka. Tomponandraikitra vitsivitsy sy ny minisitra, notronin’ireo depiote ihany, no niatrika ny fihaonana sy ny fifampiresahana tamin’izany. Ani­san’ny natao tany an-toerana ny fanaovana asa atakalo vola ataon’ireo olona miisa 600 ho fanadiovana ireo lakandrano tsentsina ao Toamasina, iarahana amin’ny minisiteran’ny Mponina. Teo koa ny fihaino­ana ny mpianatra ao Bari­kadimy. Ny nanolorana fitaovana ho an’ny mpitsabo hanatanterahany ny asany ao amin’ ny Hopitaly Kely Toamasina.

Synèse R.

Partager sur: