Andiany faha-163 ny « Concert classique de midi ». Anisan’ny hiavaka ny fandaharam-potoana hanamarihina izany. Fihaonan’ny zavamaneno roa, violon sy piano, iarahana amin’Iavy Raobeloson sy Sitraka Ramarosandratana. Fampisehoana hotanterahina ao amin’ny IFM Analakely, ny alarobia 26 novambra izao, manomboka amin’ny 1 ora ka hatramin’ny 2 ora tolakandro. Hanakoako eny an-toerana ny sanganasan’i Vivaldi, F. Kreisler, E. Elgar, J. Williams, A. Piazzolla.
Tsy mbola hain’ny Malagasy ny lanjan’ny arsiva. Na tsy nanana ny tena tranainy aza i Madagasikara. Manana ny miavaka kosa raha ny tahiry na ny arsiva. Hatramin’izao, anefa, mijanona ho tsiahy sy hoenti-manembona fotsiny izy ireny. Sary mirakitra ny tantaram-pianakaviana, hita sy notehirizina ao an-trano, saingy, hatreo ihany. Tsy tonga akory eo amin’ny hoe: «fa aiza ny fihavianay na ny tanindrazanay»? Zava-dehibe ahafahana mametraka ny hoavy anefa ny fahafantarana izany.
Nanjary zava-baovao ho an’ny Malagasy. Maro be ireo milaza na mitonona ho mpahay zava-panahy. Mpampianatra sy mpitari-dalana momba ny zava-panahy. Samy mandranty izay heveriny fa zava-panahy izy ireny. Efa hain’ny Malagasy hatry ny ela ny zava-panahy fa tsy vao izao akory. Izy aza no efa niaina ela tao anatin’io tontolo iray io raha oharina amin’ny firenen-kafa. Tsy azo refesina amin’ny taona, ohatra, ny nahafantarany fa: « aza ny lohasaha mangina no jerena fa Zanahary an-tampon’ ny loha ». Tahaka izany koa ny: « tsy mahazo mivady ny zanak’olom-pirahavavy », sns. Zava-panahy avokoa ireny.




