Tsy ho fandalovan’ny mpizahatany intsony ny eto Analamanga. Ho fanoitra amin’ny fampandrosoana ny eny ifotony ihany koa ireo harembako-pirenena toa ny vatobe manan-tantara eny Ambatomanga.
Nahazo ny anarany Ambatomanga noho ny vatobe mierinerina ao. Nosokajiana ho harembako-pirenena eto Madagasikara ity toerana miavaka sy manan-tantara ity, araka ny didim-panjakana laharana 78256, nivoaka ny 4 septambra 1978. Efa hatramin’izay no mahasarika mpizahatany, na zanatany na vahiny, Ambatomanga sy ny tantarany. Hamafisina izany manomboka izao, satria nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny maha toerana manan-tantara azon’ny besinimaro tsidihina azy.
Fasan’olona nanamarika ny tantaram-pirenena ny ao an-tampon’ny vatoben’Ambatomanga.
« Tsy afa-misaraka amin’ ny tantaran’ny tanàna ny vatobe ka isaorana ny vahoaka amin’ny fitahirizana ny hasina. Mbola misy manasina, manao fangataham-pitahiana ao ambony ao, ary anentananay ny rehetra ny fikajiana izany”, hoy ny solontenan’ny tarana-dRavalontsalama sy Rafanjava, izay milevina ao an-tampon’ny vatobe.
“Ilaina ny fiarovana ny harembakoka ka hisy ny fepetra horaisina amin’izany satria ho tafiditra anatin’ny zotran’ny fizahantany. Rehefa azo antoka ny fiarovana, azo antoka ny fampandrosoana. Ny toerana masina mila tandrovana fady. Tazomy ny hasina fa misy ny tsy faly amintsika, ka ho avy ny mpanota fady. Hampitao amin’ireo taranaka ny tantara marina sy ny maha zava-dehibe ity singan-kolontsaina ity”, hoy ny nambaran’ ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Mandrindrarivony Ogascar, nandritra ny fandraisam-pitenenany. Fitsidihana ofisialy voalohany ho an’ny ny minisitra izy ity, ary nanamarika azy manokana noho ny fananany lafim-pihaviana avy ao Ambatomanga.
Eo amin’ny vavahadin’ny fiangonana FJKM Ambatomanga no fidirana amin’ity toerana manan-tantara ity. Tsidhina ao ny Vavahady Andohalambo, Ny Kianja Anambo, ny Fasan’andriana, Ny Zaridaina Anambo, ny Lalantsara Vatoana, Ny zohy roa, ny loharano, ny fasana persianina ary ny farihy Amparihibe. Misokatra ho an’ny besinimaro isan’andro, amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 5 ora hariva, ny toerana. 500 Ariary ny saram-pitsidihana ho an’ny teratany malagasy, ary 5 000 Ar kosa izany ho an’ny vahiny. Toy ny toerana masina rehetra, manana ny fadiny Ambatomanga, ny kisoa, ny voanjobory ary ny tongolo rehetra no tsy azo entina eny. Ny Fonds Lovako ao amin’ ny minisitera sy ny kaominina no hiara-hitantana ny toerana.
Zo ny Aina




