Hanohana ny fanavaozana entin’ny fitondram-panjakana ny Groupe M24. Hanolotra ny “UTV Ch54” sy ny radio “FM 87.8» ary ny «FM 93.6» izy ireo ka hiova anarana ho LCR TV, LCR radio1, LCR radio2” izany izao. Tafiditra amin’ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Groupe M24 sy ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara izany.
Naneho ny heviny momba an’i Madagasikara ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, tamin’ny fitsidihany tatsy Maorisy. Nambarany fa miditra ao anatin’ny fanovana lalina ny Malagasy ary manohana ny laharam-pahamehan’ny mpitondra izy. Noderainy ny fahavononan’ny mpitondra tetezamita ho any amin’ny fifidianana.
Tsy manam-pahavalo ny Sendikàn’ny administratera sivily (Synad), araka ny nambaran’ny filohany, Rakotondramanana Solofotahina Lalaina, omaly, tetsy Anosy. Nanteriny fa tsy tokony hotsaraina amin’ny endrika ivelany izy ireo. «Tsarao amin’ny asanay izahay. Nampiasa anay avokoa ny fitondram-panjakana rehetra nifandimby teo», hoy izy.
Nanafatra ny hanatanterahana ny asa anaty fahaiza-manao ny minisitry ny Atitany, Rakotonandrasana Hanitra Velonjara, omaly. Niatrika ny famindram-pitantanana teo amin’ny prefet an’Antananarivo teo aloha, Ravelonarivo Angelo, sy ny vaovao, Rajafetra Setraniaina Abraham, izy. «Ilaina ny fahamendrehana sy fahitsiana», hoy izy.




