Minisiteran’ny Atitany : Misokatra ny firotsahan-kotendrena ho lehiben’ny Faritra

Misokatra ho an’ny rehetra ny fametrahana antontan-taratasy firotsahan-kotendrena ho lehiban’ny Faritra, araka ny an­tson’ny eo anivon’ny mi­ni­site­ran’ny Atitany sy ny fi­tsin­jaram-pahefana, voaray omaly. Ao anatin’ny dingana vaovao ho fa­narenana sy fa­navaozana ny Repoblika izany, araka ny adi­dy aman’andraikitra iantsorohan’ny minisiteran’ny Atitany. Nametraka fomba fiasa vaovao manaraka ny dingana mazava sy mangarahara ary voafehy ny minisitera ho amin’ny fisafidianana izay ho lehiben’ny Faritra 24. Zava-dehibe ny fanavaozana ny rafi-pitantanana eny anivon’ny kaominina sy ny Faritra. Eo koa ny fanamafisana ny fi­raisam-pirenena sy ny firaisankina eo anivon’ny Faritra amin’ ny alalan’ny fifidianana mangarahara sy demokratika.
Tokony hahafehy sy hahafeno ny fepetra takina araka ny lalàna ireo maniry hirotsa-ko­tendrena amin’izany. Anisan’ izany, ohatra, ny fananana fa­halalana kasaina hiadidiana. Eo koa ny fahaiza-manao sy fa­nanana traikefa, ny fananana etika sy haitarika. Tsy latsak’
izany ny fahafehezana ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny asa ara-teknika. Efa nisehatra tamin’ny fampandrosoana eny anivon’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana na Fari­tra, dimy taona farafahakeliny, izay mirotsa-kotendrena. Ilaina koa ny fahafehezana fitantanam-bola sy ny fahaizana mi­ara-miasa amin’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana sy ny fanjakana foibe. Toy izany koa ny fahaizana miara-miasa amin’ny vahoaka amin’ny alalan’ny fifampidinihana sy fakan-kevitra. Hatramin’ny 28 novambra ny fanaterana ny antontan-taratasy fangatahana eny anivon’ny biraon’ny prefektiora na eny amin’ny minisiteran’ny Ati­ta­ny.

R. Nd.

Partager sur: