«Ankizy Mozika Festival». Hotontosaina rahampitso, etsy amin’ny Villa Berlin Ambatoroka, ny andiany faha-5 amin’ny hetsika ho an’ny ankizy, karakarain’ny CGM/ GZ. Hanomezana sehatra ireo ankizy manan-talenta eo amin’ny mozika izany, amin’ ny hira na amin’ny fiangaliana zavamaneno. Misy ny avy amin’ny sekoly mampianatra mozika, misy kosa ireo manan-talenta hafa. Ho vahinin’ny hetsika i Manga Mandimby, mpanao mozika marolafy, mpiaraka amin’ny ankizy.
«Hira iray, hery iray». Io ny lohatenin’ilay fampisehoana goavana, hotontosain’i Bodo. Hanome fotoana indray ny mpanakafy azy ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izy, manomboka amin’ny 3 ora. Hanasa ireo mpanakanto namany, nanana tantara niaraka taminy. Anisan’izany i Poopy, Lôla, Njakatiana, Tovo J’Hay, Mirado, Nate Tex, Saunia, Mi’Tsanta ary i Dj Natoo. Fiverenana an-kira ireo fahatsiarovana no tena hatao mandritra ny seho.
«Festival d’art urbain». Taorian’ny fanokafana omaly, hitohy anio sy rahampitso amin’ny alalan’ny fanehoana hosodoko amin’ ny rindrina ny hetsika ho an’ny zavakanto an-tanàn-dehibe. Arahina fampisehoana ataon’i Bolo izany ny anio, amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Hodimbiasan’ny tarika Aloo ny sehatra rahampitso. Hitohy mandritra io herinandro ambony io ny hetsika, na ireo any ivelany izany na ny ao Ampasanimalo. Tsiahivina fa fanamarihana ny faha-10 taonan’ny La Teinturerie izy ity.
«Deux cœurs dans mon corps». Io ny lohatenin’ny boky nosoratan’i Na Hassi, navoakan’ny Editions Project’Iles, izay nampahafantarina tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Efa-taona no nanoratany azy, izay mamerina ny tontolo nitaizana ny mpanoratra. Boky amin’ny teny frantsay, saingy miresaka ny zava-misy eto Madagasikara izy ity. Nahazo ny «Prix Vanilles 2025», natolotry ny La Réunion des livres, fikambanan’ireo matihanina eo amin’ny tontolon’ny boky.




