Hentitra ny fitondram-panjakana. Handraisana fepetra ireo tomponandraikitra efa nesorina amin’ny toerany nefa mbola mampiasa fitaovam-panjakana.
Nambaran’ny eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika fa nisy tamin’ireo tomponandraikitra teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika teo aloha, efa nesorina tamin’ny toerany tamin’ny filankevitry ny minisitra ny 29 oktobra sy ny 5 novambra teo, no mbola mampiasa sy mitazona fitaovam-panjakana, toy ny fiara sy fitaovana ampitain-davitra sy kojakoja informatika. «Atao izao fampahatsiahivana izao ho fampahafantarana ny hamerenany izany ao anatin’ny 48 ora», hoy ny fanambarana. Handray ny fepetra amin’ny fanenjehana ireo izay voakasik’izany noho ny fanodinkodinana fananam-panjakana ny eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika rehefa dila io fe-potoana io, ato anatin’ny roa andro, araka ny fanambarana hatrany.
Etsy andaniny, namaly ireo tsikera sy fanakianana azy ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, manoloana ireo tombontsoa na karama raisin’ny mpitondra fanjakana. Notsiahiviny fa nihena aza ny tetibolan’ny fiadidiana ny Repoblika raha ny tetibola ho an’ ny taona 2026 jerena. «Ambarako ampahibemaso fa ny karama maha manamboninahitra kolonely ahy no raisiko. Tsy handray ny karama amin’ny maha filoham-panjakana ahy aho», hoy izy.
Kolikoly sy ny diplaoma sandoka
Tsiahivina fa nanotrona ny famoahana ireo mpianatra nahavita fianarana, andiany Soatily sy Fanilo mamiratra, sokajy haifiarahamonina, ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël, omaly, teny Ankatso. Nambarany fa novolavolain’ity Nosy ity ny Malagasy ho hery iankinan’
ny fanarenana ny firenena. Nampirisihiny ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa mba handray fepetra hentitra manoloana ny kolikoly sy ny diplaoma sandoka, mihanaka eny amin’ny oniversite.
Synèse R.




