Manana ny hoaviny ny mozika eto Madagasikara. Izay no tsapa nandritra ny andiany faha-5 tamin’ny «Ankizy Mozika Festival», notontosaina teny amin’ny Villa Berlin Ambatoroka, omaly. Hetsika fikarakaran’ny CGM/GZ isan-taona, natao hanasongadinana ny talentan’ireo ankizy amin’ny hira sy mozika izy ity. Hamolavolana ny taninketsa, hizaran’ireo ankizy sehatra, no tena tanjona amin’ny hetsika. Hitiliana mialoha ireo talenta vao, hoavin’ny mozika malagasy aoriana ihany koa.
Nanomboka ny seho ireo ankizy ao amin’ny Alabari, izay efa mpandray anjara amin’ny hetsika. Nanaraka avy eo Mamitia sy Bross, namerina ny «Il faudra leur dire», hira noforonin’i Francis Cabrel, indrindra ho an’ny ankizy. Ankoatra ireo ankizy mpianatra mozika any amin’ireo sekoly manokana, nisongadina ihany koa ireo avy amin’ny toeram-pitaizana toa ny Soamiely, izay efa tazana an-tsehatra tamin’ireo andiany teo aloha. Namarana ny fotoana kosa ry Imanga Mandimby, nampifaly sy nampihira ireo nanatrika rehetra tamin’ireo hira vakodrazana. Antenaina ny hitohizan’ny hetsika amin’ny taona hoavy.
Zo ny Aina




