FANTINA sy FINTINA

Nampiakarin’ireo depiote ny tetibolan’ireo minisitera sasany, araka ny fanitsiana nataon’ny eo anivon’ny asam-baomiera eny Tsimbazaza. Anisan’izany ny namindrana ny tetibolan’ny fiadidiana ny Repoblika ho an’ny minisitera vitsivitsy. Nampiana koa ny tetibola ho an’ny fahasalamana sy ny ao amin’ny rano. Tsy miova kosa ny fampiakarana karama.

Tafaverina eo anivon’ny Ceni Rakotonarivo Thierry. Nolanin’ireo depiote 100%, tsy nisy mpifaninana, ny tenany ny zoma teo, teny Tsimbazaza. « Hanao ny asa am-pahamendrehana miaraka amin’ny traikefako aho ary hanentana ny vahoaka hifidy », hoy izy. Tsiahivina fa nisolo ny toeran’ny teo aloha nesorina, i Houssen Abdallah, ny tenany ao amin’ny Ceni.

Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena Randrianarisoa Guy Rivo. Nambarany tamin’izany fa tsy midika ho samy manao ny tiany hatao sy ny saim-pantany ny fandresena sy fahafahana azo tamin’ny tolona natao. « Mitady handeha amin’ny tsy izy sy hivaralila izany tolona izany », hoy ity olon’ny Tim teo aloha ity.

Fatiantoka hatrany amin’ny 2 000 miliara Ar ny fitohanan’ny fifamoivoizana, araka ny nambaran’ny filohan’ny Tia tanindrazana, Razafinjoelina Tahina. Nambarany fa hampitombo ny sandan’ny vola vahiny izany. « Afarana ny solika…Mandany fotoana koa ny fitohanana ka mampihena ny fotoana iasana ary miteraka tsy fahasalamana ny fahalotoan’ny rivotra », hoy izy.

Partager sur: