Hira 50, fizarana 5… Izay dia ampy haminavinana ny endriky ny seho notontosain’i Bodo tao amin’ny Lapan’ny fanantanjahantena, omaly. Namaly ny antson’ity andriambavilanitra manakanto ity ireo mpankafy azy nandritra izay 40 taona izay, ka tsy onina azy ireo indray ny lapa, fandrefesan-daza ho an’ireo mpanakanto.
Midika izany fa mitana ny lazany i Bodo. Tsy mora ho an’ny mpanakanto izany, saingy vokatry ny talenta nampian’ny traikefa.
«Rehefa eo ianao» ny hira nanombohan’i Bodo ny seho. Nomeny sehatra nialoha izay anefa i Saunia sy Mi’Tsanta, porofon’ny fitohizan’ny mozika. Nitamberina daholo ireo fahatsiarovana noraketin’ny hira tsirairay : «Fony aho», «Miandry anao», «Dada, Neny», «Mba rahoviana» sns. Mbola hafa koa ny nanaingoan’i Dj Natoo ny fotoana niatoan’ny seho, nitondrany ireo mpankafy tany amin’ny tontolony…
Fa nampiavaka indrindra ny seho ireo mpanakanto naman’i Bodo, izay nasainy. Nanomboka azy i Lôla. Nanaraka avy eo i Poopy, tanatin’ilay hira «Tsy maninona», Mirado niara-namerina ny «Tiako fotsiny», Nate Tex niara-nahatsiaro an’i Rak Roots tamin’ilay «Faka vady», Tahiana Vibe, Njakatiana, sns. Namerina ny tadidy tamin’ny andron’ny «Che Bel Canto» kosa ny «Raha tia mozika», niarahan’
ireo mpanakanto vehivavy tamin’i Tovo J’hay, sy ny «Bianco», nataon’i Bodo sy ireo mpanakanto lehilahy. Tamin’ ny 8 ora alina , mbola niakatra ny sehatra i Backom, nanao ny «Mausolée»… Misoratra anaty tantara iny seho iny!
Zo ny Aina




