“Aoka tsy ho sarintsarin’ny fanovana no hatao, fa alefa any amin’ny Faritany sy ny Faritra ny fahefana”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote tsy miankina voafidy tany Ikalamavony, Matsiatra Ambony, Rakotoniaina Pety, manoloana ny ataon’ny mpanao politika sasany efa misy manao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. Ny mpanao politika sasany, manao kajy fotsiny izay hahazoany fahefana. Avy amin’ny kajikajin’ny mpanao politika ihany no nahatonga ny fanovana tsy tanteraka hatramin’izay. Milaza fotsiny hoe hanao fanovana, nefa hoe miala Ranona dia izy no ho eo. Tohiziny fotsiny ilay rafitra, izay efa tsy mety.
Ny ahiahin’ny olona: lasa fehezin’ny mpanao politika ny fitondrana amin’izao. Ireo mpanao politika ireo mety tsy mieritreritra ny handehanan’ny firenena amina tena fanovana, fa izay fomba hahazoany fanjakana fotsiny. Be dia be, ohatra, ny milaza fa ny filohan’ny antoko izao dia efa eny Iavoloha no ipetrahany. Tsy mifanaraka amin’ny tena fanovana no eritreretin’ireo olona ireo. Izay no ahiahin’ny olona.
Anisan’ny fanovana lehibe tiana hapetraka eto: tsy ny filohan’ny Repoblika intsony no hofidina hitondra sy anankinana ny fampandrosoana. Nanapotika ny firenena ny fivangongoam-pahefan’olon-tokana any amin’ny fanjakana foibe. Ny Faritany sy ny Faritra no hanana fahefana hahazoany mandray an-tanana ny fampandrosoana sy hanana loharanom-bola amin’izany. Miaro ny hisian’ny firaisam-pirenena ny fanjakana foibe, ary mitantana ireo minisitera stratejika: ny fitantanam-bola, ny fiarovam-pirenena, ny fitsarana. Izay no mijanona amin’ ny fanjakana foibe. Tantanin’ ny any amin’ny Faritra ny fampianarana, ny fahasalamana, ny fambolena…
R. Nd.




