Tokony hitandrina ny fitondram-panjakana ankehitriny manoloana ireo tsindry samihafa ataon’ ireo firenen-dehibe, araka ny fanehoan-kevitry ny mpanao politika, Paraina Auguste. « Tsy tongatonga ho azy ny niresahan’i Emmanuel Macron nandritra ny fivahinianany tatsy amin’ny Nosy Maurice ny toe-javamisy eto Madagasikara », hoy izy.
Tsy mila PDS ny vahoakan’ny kaominina ambanivohitra Marovoay. Nanterin’izy ireo fa ny ben’ny Tanàna lany tamin’ny fifidianana ihany no afaka hampandroso io kaominina io. « Miantso ny fitondram-panjakana foibe mba hidina aty izahay vahoaka », hoy izy ireo. Tsiahivina fa Navony Sahoby no voafidy tamin’ny fifidianana farany teo.
Nanambara ny hamerina ny Vatoeka, Rafalimanana Ny Rado. Nambarany fa hitory ireo vahiny manao ampihimamba eto amin’ny firenena sy ny kolikoly ataon’ izy ireo ny hetsika, “Ny fanahy no olona”. « Fanovana izao ka avelao hisitraka ny toekareny ny Malagasy. Tsy hanaiky intsony ny mpijirika sy ireo mpaka tombony mihoapampana », hoy izy.
Namaly ny fanakianana etsy sy eroa ny administratera sivily, Ratolojanahary Maharavo « Doudou » ka nilaza fa tsy diso ireo Prefet sy Sefo distrika manao ny asany. « Ireo mpitondra mpanao politika, tompon’ny fibaikoana no diso noho ny baiko vilana nomen’izy ireo », hoy izy. Nanteriny fa manatanteraka baiko voaray izy ireo mba tsy ho voasazy.




