«Festival Madagaslam» : Hetsika 3 mn, hanehoana aingam-panahy

Mahazo vahana ny slam. Hita sy tsapa tamin’ny fanombohan’ny “Festival Madagaslam” ny faran’ny herinandro teo izany, izay hitohy hatramin’ny 6 desambra. Hiavaka ao anatin’izay ny “3 mn”.

3 minitra. Mety ho kely amina fotoana hafa, fa mahavita hampitana hevitra maro kosa ho an’ny mpahay kanto. Hampiavaka ny herinandro faharoa amin’ny “Festival Ma­dagaslam” andiany faha-16 ny hetsika “3 mn”, izay hotontosaina ny zoma 28 novambra izao, manomboka amin’ny 6 ora hariva, eny amin’ny G&V Inn Andrefan’Am­bohijana­hary. Tsotra kely ny fandrai­sana anjara: tsy misy mihoatra ny 3 minitra izay homanin’ ny mpanakanto. Azo atao avokoa na slam-poezia, ha­tsikana, dihy, teatra, mozika, sns, na mifangaroharo ao aza ireo zavakanto, rehefa tsy mi­dila ny 3 minitra, fotsiny.
Ny Impro Gasy no mikarakara ity hetsika amin’ny zoma ity, izay natao indrindra koa hanasongadina ny famoahana aingam-panahy tsy nomanina, mba hanomezana tsiro hafa kokoa ny famoronana. Izay indrindra rahateo no tena he­rin’ny slam, ankoatra ny filalaovana ny teny sy ny lohahevitra.
Mandritra io fotoana io no handray anjara ihany koa i Raspyek. Izy ilay mpanao slam avy any Seychelles, vahinin’ ny “Festival Madaga­slam” amin’ity. Mbola hisy ny atri­kasa iarahana amin’ity vahiny ity, izay hihaonany amin’ireo na­many mpanao slam eto Ma­dagasikara. Maha­kasika ny vahiny ihany, ho avy eto ihany koa ilay frantsay mpanao slam, Nico K, izay hiray sehatra amin’ i Orag, tompondakan’i Mada­gasikara, ny 5 desambra izao.
Tsiahivina fa hotontosaina ny 6 desambra izao kosa ny famaranana ny fifaninanam-pirenena ho an’ny slam. Ho vory eto avokoa ireo solon­tena isam-paritra, hifaninana mba hibata ny amboara, hi­tondra ny anaram-boninahitra tompondakan’i Madagasikara, ka hisolo tena antsika amin’ ireo fifaninanana iraisam-pirenena.

Zo ny Aina

Partager sur: