Fikaonandoham-pirenena : Mitaky ny hanadiovana ny tokotany ny Panorama

Tsy an-kiandriandry. Efa nanomboka ny fikaonandoha, amin’ny alalan’ny dinika Santatra, ny eo anivon’ny Paikady anorenana ny rahampitson’i Madagasikara (Panorama), natao teny Itaosy, ny herinandro teo.

Anisan’ny voaresaka ta­min’izany ny momba ny fanadiovana ny toko­tany, mialoha ny fifidianana. Tafiditra ao anatin’izany ny lalàm-pifidianana  tokana amin’­ny alalan’ny fanavao­zana ifotony ny fitantanana izany. Eo koa ny fanamboa­rana ny rafitra manontolo sy ny fandraisan’anjaran’ny re­hetra amin’izany. Manampy izany ny fanehoan’ny Pano­rama fa amin’ny alalan’ny foto-kevitra no ifidianana. «Tsy hisy intsony ny fanjakan’ ny vola amin’ny fifidianana », hoy izy ireo. Natsidiky ny Pa­norama koa fa vonona izy ireo hitondra ny anjara birikiny amin’ny fikaonandoham-pirenena. Nante­rin’izy ireo fa loharanon’ny fanovana ho amin’ny Repo­blika vaovao ho tenieranan’ny demokrasia ny fanavaozana ifotony ny fitantanana ny la­làm-pifidianana
Tsiahivina fa 100 latsaka kely ireo mpizaika nandray anjara ho amin’ny fanoma­nana ny fikaonandoham-pirenena. Anisan’ny niatrika izany koa ireo mpianatry ny Oni­versity eto an-drenivohitra, ahitana ny Gen Z KMSI. Teo koa ny avy amin’ny fikambanana sy mpiara-dia amin’ny Panorama, toy ny FLN sy ny vovonana avy any Toamasina ary ny avy any amin’ny faritra Diana. « Hita taratra ny fahavononana sy fandraisana ireo mpikambana vaovao hana­tevina ny vondrona Pano­­ra­ma », hoy ny mpandrindra, Randrianirina Ignace na Ra­masy.

Synèse R.

Partager sur: