Me Randriamiaramisaina Mirantsoa : « Fonjaina tsy ara-drariny i Rinah Rakotomanga »

Tonga teny amin’ny fitsarana Anosy ny mpisolovava, ny Me Randriamiaramisaina Mirantsoa, omaly. Nitondra fanazavana momba ny olona arovany, i Rinah Rakotomanga, izy.

«Tsy mitombina aloha hatreto ny fiampangana ny amin’ny filazana fa nanao fanodinkodinam-bolam-panjakana i Rinah Rakotomanga. Miezaka izahay ny mitondra fanazavana sy ny porofo ny tsy mampitombina izany. Voafonja noho ny antony tsy mitombina izany izy », hoy izy. Tsy nambarany anefa ny antony tsy mampitombina izany noho ny tsiambaratelon’ny fitsarana sy ny fiarovana hatramin’izao, araka ny nambaran’ity mpisolovava azy ity. Tsy niova anefa ny fa­napahan-kevitry ny fitsarana sady miompana kokoa amin’ ny raharaham-barotra ilay izy, araka ny nambarany. Hoen­tina eny amin’ny Pac izany izao. « Mivaona tanteraka ny raharaha ary mibahana ny resaka politika. Fonjaina tsy ara-drariny i Rinah Rakoto­manga », hoy ihany izy.
Efa nangataka fahafa­hana vonjimaika (LP) ho an’ity olona akaiky ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, ity koa ny Me Randriamiaramisaina Mirantsoa, saingy tsy nahazo izany teny amin’ny fitsarana. Na izany aza, nambarany fa matoky ny fahendren’ny fitsarana ny tenany sy ny tsy tokony hisehoan’ny fanavakavahana manoloana ity raharaha ity.

Tsy salama i Rinah Rakotomanga

Nanteriny fa miray fonja amin’ny besinimaro, ahitana voafonja 151, i Rinah Rako­tomanga. « Ao anatin’ny tsy fahasalamana izy amin’izao fotoana izao, saingy tsy mitaraina. Manaiky ny fepetra rehetra apetraky ny fitsarana koa izy amin’izao fitanana vonjimaika azy any am-ponja izao », hoy ihany ny mpisolovava azy.
Tsiahivina fa voasambotra ny harivan’ny 10 novambra teo, tany Antetezambaro, any Toamasina, i Rinah Rakoto­manga sy ny vadiny. Voalaza fa anisan’ny anenjehana azy ny raharaha famotsiam-bola, ny fanararaotana fahalalana olona. Eo koa ny fifanolanana ara-tombontsoa manokana eo amin’ny sehatra arakasa.

Synèse R.

Partager sur: