Fantatra omaly, fa niorina ara-panjakana ny fikambanana « Akanga tsara soratra » ka any Mahafaly, Vatofotsy Antsirabe, ny misy ny foibeny. Ny tontolon’ny literatiora no iangalian’ireo mpikambana ao aminy, ahitana mpanoratra, poeta, mpihira, mpanao slam, mpikabary, mpilalao tantara, mpanao teatra, sns.
Tanjon’izy ireo ny hampitombo hasina ny literatiora malagasy izay maratran’ny fanantontoloana sy fifantohana diso tafahoatra amin’ny resaka varotra hany ka hadino ilay kalitao ifotoran’ny kanto. Mampiavaka ny « Akanga tsara soratra » ny fanomezana fahafahana feno amin’ny haiforon’ny tsirairay, ka hampisongadina ny harena ny fahasamihafana. Tsy hijanona ao Antsirabe ny fikambanana fa hiparitaka manerana ny Nosy. Hijoro tsy ho ela, ohatra, ny sampana Antananarivo, Ambatolampy, Betafo ary Faratsiho.
Ireo mpintantana am-perinasa ao amin’ny « Akanga Tsara Soratra »:
Filoha: Rasolofomandimby Faniry Ezekiela (Faniry Ezeckiel); Filoha lefitra: Manampisoa Santatriniaina Théodore (Andriamanalina Ni Avatsa); Mpitan-tsoratra: Herintsoa Nilaina Najoro Nalahatra (Najoro Nilaina); Mpitam-bola : Santatriniaina Hervé Mickael (Hiaka Mikalo); Tomponandraikitry ny serasera: Rafanomezantsoa Fiandrianana Henikiniavo Anjarahasina (Ny Avo Elabakaka).
“Maro ny hetsika hotontosaina… Hanandratra avo ny literatiora malagasy… Adidy goavana ny hanelezana ny fikambanana hahenika ny Nosy”, hoy i Faniry Ezeckiel.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto




