Mailaka ery ny sasany amin’ny endri-panavaozana toa tsy mijery ny maha olona. Mahazo vahana ny tsindrio fa lavo hany ka mahita faisana ny vahoaka madinika. Ity tokoa ilay hoe izy mivady no miady dia ny ankizy no voaporiporitra. Tendrom-po ny an’ny sasany, hany ka tsy mijery ny manodidina. Ho aiza tokoa ny fianakaviana an’aliny very asa sy tsy handray karama intsony? Fanontaniana ilam-baliny.
Tsy tokony hadino anefa fa ny heloky ny rainy anie tsy an’ny zanany. Inona no ho sarangotin’izy ireo? Misy karazan’olona tena manao fo vato, baikoin’ny halako bika tsy tiako tarehy. Izay no hanairana foana ny miaramila mitondra ity firenena ity. Anisan’ny fanompoana ny tanindrazana ny fitsinjovana ny mpiara-belona. Tokony hijoro hatrany hijery ny maha olombelona sy ny hasin’ny “aina”. Tsy ny basy ihany no mahafaty fa ny tsy fananana asa mitarika hanoanana.
Toraka izany, enti-miakatra ny tenin’ny mpiray tanindrazana tonga marefo tsy satry ireo. Tsy sanatrian’ny vava vondron’orinasa tokana akory, fa jereo izatsy orinasa afakaba efa mikatom-baravarana ihany koa, mivadika amin’ny fanaovana fiatoana teknika. Hanao ahoana ny ho fitantanana izany. Hiditra an-tsehatra indray ve ny andian-tafika? Tsy maintsy hisy fiantraikany amin’ny andavanandron-dRamalagasy izany.
Manahirana ny toe-javamisy amin’izao fotoana. Mila miray saina sy mampitovy tadin-dokanga ny Malagasy. Tsy maintsy manavaka ny kary sy ny mpamalan-kira ny mpitondra madio fo.
Tsy ampy ny fisehoana amin’ny endriny ivelany ny maha “zanak’Andriamanitra” fa mitaky asa izany. Ataontsika ahoana tokoa ny hitiavana an’Andriamanitra kanefa isika aza tsy mifampitsinjo ety ambonin’ny tany? Sanatrian’ny vava ho fihatsaram-belatsihy no betsaka. Mainka handetika ny firenena an-kady izany!
Sarotra aloha ny manome tsiny an-dranona na ranona fa tsy maintsy hirosoana ny fisintonana lakolosy. Mbola vao miainga ny fanavaozana raha ny tokony ho izy. Fotoana hakana fanapahan-kevitra maika sy tena mamaly ny filan’ny mponina izao. Fanovana voalohany ny fanekena fa misy lesoka sy fomba fiaina lo mila hialana.
r.r




