Nanomboka omaly, eto Madagasikara, ny fivorian’ny firenena afrikanina mivondrona ao amin’ny Sadc, miasa amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza.
Haharitra hateloana ny fifampizarana ho an’ny firenena mpandray anjara, eny Alarobia. Hivoaka aorian’ny fihaonana ny lesoka sy ny vokatra tsara ary ny fanararaotra hamolavola tondrozotra iraisan’ny firenena rehetra mpandray anjara momba ny asa fiomanana mialoha ny loza na voina (rivodoza, haintany, tondradrano…)
Efa lasa aloha kokoa i Madagasikara amin’ny fitantanana ny loza voajanahary mihoatra an’ireo firenena hafa aty Afrika. Manana politikam-pirenena momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza isika, miaraka amin’ny paikady nasionaly mifandraika amin’izany. Ny faritra tsirairay misedra loza voajanahary matetika koa dia samy manana drafitrasa iatrehana izany avokoa izay havaozina isan-taona, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny BN GRC, jeneraly Ramanantsoa Gabriel.
Nisy atrikasa maromaro efa natrehin’i Madagasikara momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza taty Afrika, hatrany Eoropa, ka mandritra izany ny mpikarakara no mametraka fanombanana ny asan’ny firenena tsirairay mifandraika amin’ny tondrozotra napetraka. Nisongadina fa manana traikefa i Madagasikara.
Najoro rahateo ny Fonds national de contingence ahazoan’ny fanjakana mandrotraka vola hiatrehana ny loza. Ankoatra izay, ireo firenena mpiray ombon’antoka koa dia mandefa vola ao anatin’ny Basket fund, tantanin’ny FNC hanampiana ny mponina hiatrika sy hiarina aorian’ny fandalovan’ny loza. Ny fanjakana malagasy no mamaritra ny sorabola araka ny vina ary soratana ao anatin’ny volavolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana holanian’ny andrimpanjakana mpanao lalàna izany avy eo.
Vonjy




