FANTINA sy FINTINA

Tafaverina ho depiote ireo minisitra telo teo aloha, fony fitondrana Rajoelina. Anisan’izany Sahon­drarimalala Marie Michelle, minisitry ny Fanabeazam-pirenena. Mara Donna Volamiranty, minisitra teo aloha nisahana ny Serasera sy ny kolontsaina ary Razafinjato Aurelie, minisitra teo aloha nisahana ny Mponina. Navoakan’ny HCC, omaly, ny didy momba izany.

Hentitra ny minisitra Fanirisoa Ernaivo manoloana ny kolikoly, ny hosoka, indrindra ny fanatanterahana fisavana “perquisition” sandoka. « Tsy hisy fandeferana ireo mbola minia manao izany », hoy izy tamin’ny fanananganan-tsaina, ny alatsinainy teo. Mametraka tanjona koa ny minisitera fa hohamaivanina sy hahena ny olona voafonja amin’ny alalan’ny lalàna.

Mitaky fanadihadiana, tsy misy anavahana, ireo trangana kolikoly ny antoko Kintana, tarihin’i Tabera Randriamanantsoa. Nambarany fa maro ireo endrika fangalarana ny harem-pirenena sy karazana kolikoly niseho nandritra ny fitondrana nifandimby. « Misy ireo voarohirohy efa nody eto. Eo koa ireo mikasa hiverina ka tsy tokony havahana izy ireo », hoy izy.

Mitaky fanazavana amin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra amin’ny Jirama ny depiote amin’ny alakamisy izao mba hanazava ny momba ny fifanarahana misy amin’ny Jirama sy izy ireo. Ny mpamatsy solika, ny mpampanofa « Groupe ». “ Tokony hahafantatra ny marina momba ny Jirama ny vahoaka raha tena mila mangarahara isika”, hoy izy ireo.

Partager sur: