Kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy manadino ny ezaky ny mpitolona ny firenena”

Nitsidika sy nampahery ilay voatifitra tamin’ny tolona ireo filoha mpiara-mitantana efatra mirahalahy. Nambaran’izy ireo fa  mitohy ny fanadihadiana momba ireo fitifirana sy ireo naratra nandritra ny hetsika na koa ireo niharam-boina.

“Tsy manadino ny eza­ka nataonareo ny fi­renena. Fitiavan-ta­nin­drazana no nahatonga anao toy izao. Mankahery! Aza kivy… Eo foana izahay raha misy zavatra ilàna anay. Toa anao izao no olona ilain’ny firenena”. Izay ny teny fankaherezan’ny filohan’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, kolonely Randrianirina Mi­chaël, ho an’ny tanora Gen Z, Randriamiharisoa Aina Saro­bidy, teny Ambatobe, omaly. Anisan’ny niharam-boina tamin’ny tolona izy: voatifitry ny bala tena izy teny Befela­ta­nana. Voatery tsy maintsy notapahina ny tongony havia. Mbola an-dalam-pahasitranana ny fery. Mitondra “béquille” izy vao afa-mitsangana amin’izao, ary tsy afa-miasa.
Manao antso avo izay mpanao asa soa ny filoham-panjakana: afa-mankany an-toerana izay te hanao fanampiana. “Mbola hodinihinay hoe: inona ny azo handraisana anao hiasa eny aminay eny”, hoy izy notronin’ireo mpanolotsaina avo efatra mirahalahy. Na izany aza, miezaka hanao izay azony hatao ny fitondram-panjakana. Vola 5 tapitrisa Ar sy vary roa gony ny fanampiana. Fankaherezana no nahatongavan’izy ireo, ampisehoana ny maha mpirahalahy sy ny maha olona iray amin’ny tolona.
“Niatrika iny tolona iny isika, ary hita ny zava-nitranga. Manahirana izany mitondra “béquille” izany. Noho ny andraikitra natao ho an’ny tanindrazana, tsy hay ny mijery fotsiny izany”, hoy ny mpanolotsaina avo, kolonely Rabearimanana Lucien. “Misy vokany ihany ilay tolona”, hoy kosa Randriamiharisoa Aina Sarobidy taorian’ny fisaorana. Efa mba misy zavatra miova, na kely aza. Irariany ny hitohizan’ny fanovana. Na izany aza, mbola mila fanampiana izy: 24 000 Euros ny vidin’ny solon-tongotra hahazoany mandeha.

R. Nd.

Partager sur: