Fampiaraham-peom-behivavy nanamarika vanim-potoana iray manontolo. Tsy hadino mandrakizay, mbola homem-boninahitra ry Vola sy Noro sy ny talentany. Hisy ny seho ialohavan’ny fifaninanan-kira Vola sy Noro.
Efa ela no noketrehina… Namaly ny hetahetan’ireo mpankafy amin’izay ireo mpandimby an’i Vola sy Noro. Hisy ny seho ho fanomezam-boninahitra ireto mpanakanto ireto, ho tsiaro sy tamberina ny taloha ihany koa. “Ny hirahiram-poko”, no lohatenin’
ny fampisehoana, izay nalaina tamin’ny hiran’i Vola sy Noro ihany. Hotontosaina ny alahady 14 desambra izao izany, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny CCEsca Antanimena. Seho hamerenan’ ireo mpandimby sy mpamelo-maso ireo hira rehetra nanamarika an-dry Vola sy Noro hatramin’izay.
Manomboka amin’ireo nampisongadina azy roa tao amin’ny tarika Ny Railovy izany, izay maro tamin’ireny no noforonin’i Jerôme Randria. Rehefa tarika manokana ny Vola sy Noro, mbola nampiaka-daza ny fampiaraham-peon’izy mirahavavy, ry “Hifonako”, “Ekeko ry Tompo mahery”, “Imaintsoanala”, sns. Teo ihany koa anefa ireo sanganasan’i Paul Dason, izay toa narafitra tamin’ny feo sy fanahin’ny Vola sy Noro mihitsy: “anjavidy”, “saika diso paika”, “Very maina”, “Aza kivy”, sns. Nisy koa hira vitsivitsy noforonin’ireo indray nihira tamin’izy mirahavavy izay mbola manohy ny mozika, toa an’i Bessa sy i Fanja Andriamanantena. Namoron-kira vitsivitsy ihany koa i Vola, na dia tsy fantatry ny besinimaro aza, mbola hovelomin’ireo mpandimby an-tsehatra izany.
Mpandimby, ahitana taranaka mivantana fa misy taranaka teny an-tsehatra ihany koa. Nilomano, niaina, nandray ary hamelona sy hampita ny fanahin’ireo hira nataon-dry Vola sy Noro izy ireo. Ankoatra izay, amin’ny maha seho fahatsiarovana azy, nikarakara fifaninan-kira ho an’ny mpankafy ireo taranaka mba sady ho fanehoana talenta no hanehoana koa ny fankafizana. Izay hira rehetra efa nataon-dry Vola sy Noro no hifaninanana. Mazava loatra fa fampiaraham-peo roa, araka izany, no andrasana amin’ny mpifaninana. Efa nisy ireo nandefa ny video tao amin’ny pejy “Vola sy Noro – Ny Railovy”, izay isafidianan’ny mpanaraka. Mbola manana hatramin’ny 6 desambra izao kosa ireo mbola te handray anjara amin’ny lalao. Hahazoana tapakila eny anoloan’ny sehatra, miandry fandraisana anjara mihira mihitsy izany, ny andron’ny fampisehoana.
Zo ny Aina




