Sanatrian’ny vava izay mifandatsa amin’ny zava-misy ankehitriny. Na tiana aza ny hangina, aleo lazaina ihany mba misy hisainana sy handajanlajan’izay voakasiky ny resaka. Inona ary no tiana hambara fa ny mahakasika ny raharaham-pitsarana momba ny olona sasany, nitondra teo aloha. Singanina manokana ireo hitam-poko sy hitam-pirenena nampikaikaika ny olona ny zavatra nataony, ny toetrany niharo avonavona sy vavabe nanimba ny hafa.
Mila mahasahy tokoa ny tsirairay manontsana ny tsy mety, manitsy raha ilaina, ary maka ny fepetra mifanandrify amin’izany. Tsy atao anaty fanimbana olona kosa na hanaovana halako bika sy tsy tiako tarehy. Fanavaozana no resaka eto. Ady mafy sy tokony ho masina izany. Tsy misy ratsy hiova amin’ny alalan’ny fanaovan-dratsy izany. Tsy misy maizina miampy maizina ka hoe hazavana tampoka eo.
Zava-dehibe ny fifamelan-keloka sy ny fahadiovam-po raha hanangana fototra amin’ny fijery lavitr’ezaka i Madagasikara. Iarahantsika mahalala rahateo fa mpiandry loterianina ny filoham-panjakana Randrianirina Michaël. Sady Tena mpivavaka no matahotra an’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy. Fototra ijoroan’ny finoana kristianina rahateo ny fahaizana mamela heloka raha misy sy fahafahana manova anatin’ny halemem-panahy.
Tsy hoe manome vahana ny tsimatimanota akory ny fiainana sy fanaovana izany. Zava-dehibe tsy hisian’ny boribory vetaveta amin’ny fifamaliana fatin’ny samy Malagasy. Ny valifaty rahateo, hoy ny vazaha, sakafo tsy fihinana mafana. Raha tsy haintsika ny misoroka izany ankehitriny, dia miomana fa mifampiandry ny anjara ratsiny eto isika mianakavy. Aza hadino fa misy farany raha jiaby, mielina avokoa ny zava-drehetra!
r.r




