Namaly ireo fanaratsiana samihafa, indrindra avy amin’ ny antoko Tim, ny eo anivon’ ny MMM, amin’ny alalan’ny birao politika, Ratiankavana Benjamin. Nambarany fa miroso ny fanovana eto amin’ny firenena na eo aza ireo mpanaratsy.
« Tsy manana olana amin’ ny Tim na ny depiote Razara Pierre Fidèle izahay. Samy manohana ny fitondrana ny roa tonta. Manome vahana ny avy amin’ny fanoherana kosa anefa ny fanaratsiana sy fanenjehana ataon’ity depiote ity », hoy izy.
Notsiahiviny fa voizina ny fanenjehana ny MMM sy ny filoha nasionaliny, any anaty fandaharana amin’ny onjampeo sy famoriam-bahoaka. Tsy mila ady amin’ny olom-pirenena na antoko ny MMM, araka ny nambarany. « Tsy azo ekena kosa anefa ny fanosoram-potaka ary toherinay tanteraka izany amin’ny fanohanana marolafy ny fitondrana mijoro », hoy ihany izy. Nanteriny koa fa tsy tokony henjehina befahatany ireo mpiasam-panjakana tena miasa. Na izany aza, nohitsiny fa tokony hiharan’ny lalàna ireo nanao ny tsy nety amin’izy ireny.
Efa nanambara izany ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo, ny herinandro teo, ka nilaza fa anisan’ny nandray anjara tamin’ny fanovana teto amin’ny firenena ny MMM hatramin’izay ary mbola manohy izany hatramin’izao. Nohamafisiny fa tsy manana birao eny an-dapa ny tenany. « Fanaovana tsinontsinona sy fanambaniana ny filoham-panjakana sy ny praiminisitra izany. Tsy tokony hanao tahaka izany raha miaraka amin’izao fitondrana izao fa zary lasa manome vahana ny mpitondra teo aloha, lasa mpanohitra izao ataon’ny Tim izao », hoy izy.
Synèse R.




