« Jean-Joseph Rabearivelo, un poète entre deux mondes » na « Poeta miroa tontolo », sy « Jacques Rabemananjara, poète engagé » na « Poeta sy mpitolona ». Boky roa vaovao, saingy miresaka ireo andrarezin’ny literatiora malagasy, nametraka ny diam-peniny holovain’ny taranaka. Izay indrindra ny tanjon’ny Collection Vakoka tamin’ny namoahana ireto boky ireto: hampita amin’ny tanora ny mombamomba sy ny sanganasan’ireto poeta niavaka tamin’ny androny ireto.
Niara-nisalahy i Dominique Ranaivoson, Florence Dimani ary i Sese Dille hampahalala ny fiainana sy ny fironan-dRabemananjara teo amin’ny literatiora. Nanambatra ny lalana nodiavin-dRabearivelo sy ireo sanganasany kosa i Forence Dimani sy Dwa. Ny Editions Teny no namokatra azy ireto, izay notohanan’ny Fond Yavarhoussein. Hisy ny fampahafantarana voalohany ireo boky roa ireo, ny alarobia 3 desambra ho avy izao, manomboka amin’ny 9 ora sy sasany, ao amin’ny efitrano Jaomanoro, Tranombokim-pirenena Anosy.
Zo ny Aina




