Naneho ny heviny ary nahitsy ny depioten’i Faratsiho, Ramilison Nomenjanahary, manoloana ny raharaham-pirenena. «Tsy tokony ho lany andro hanaratsy ny hafa isika mpisehatra politika. Aoka hikatsaka ny fampandrosoana ny firenena », hoy izy. Nambarany fa tsy fotoan’ny fifanaratsian’ny samy mpanao politika na antoko politika izao. Tokony hapetraka ho laharam-pahamehana ny tombontsoam-bahoaka, araka ny nambarany hatrany. Efa aty amin’ny fanovana izao ka tokony hiova ny rehetra. « Tsy ny mpitondra na ny olom-pirenena ihany fa ny mpanao politika no tena tokony hiova voalohany. Tsy izany ny fanavaozana», hoy ihany izy. Nentaniny ny mpanao politika rehetra hitodika amin’ny fanovana sy amin’ny asa miantraika any amin’ny vahoaka. Nohitsiny fa tsy mahasoa ny firenena ny fifanenjehana amin’ ireo tsy mitovy hevitra amin’ny tena. Maro ireo manana hevitra sy vahaolana sy manana fahavononana ka tokony hapetraka mihitsy aloha ny hambom-po politika. « Zary lasa mitovy amin’ny mpitondra teo aloha isika raha izany ka aoka mba ho ny firenena aloha no jerena », hoy ihany izy. Nambarany anefa fa any amin’ny fifidianana vao tokony hifampitady.
Momba ny fandinihana ny tetibolam-panjakana farany teo, notsindriny fa tena sahy sy nahitsy ary nitondra soso-kevitra tamin-kahalalahana ireo depiote. Nanitsy izany fa tsy maika tamin’ny tsangan-tanana, nahazatra teo aloha. Teo koa ny fahatongavan’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola ara-potoana. Efa fiovana lehibe izany, araka ny nambarany. « Hanara-maso ny fanatanterahan’ny governemanta izany izahay izao », hoy ihany ny depiote Mily.
Synèse R.




