Nitafa tamin’ny mpanao gazety vahiny ny filoham-panjakana, Kly Randrianirina Michaël, afakomaly. Nitondrany fanazavana tamin’izany ny raharaham-pirenena.
”Omena ohatra ny vahoaka malagasy fa tena atao ny ady amin’ny kolikoly. Nisy ny teny mita navoaka fa hotsaraina amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ireo tomponandraikitra, fa tsy ilaina ny Fitsarana avo (HCJ)”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny mpanao gazety Maryam Feudjio, tao amin’ny “La grande interview”. Fandaharan’ny televiziona rosianina RT tamin’ny 20 novambra izany, nozarain’ ny masoivoho rosianina tamin’ ny tambajotran-tserasera, afakomaly. Efa misy ny ezaka amin’ny fanenjehana ireo nangalatra sy nandroba ny harem-pirenena nandritra ny taona maro. Mba hanehoana ohatra izany ho an’ny rehetra, indrindra ho an’ny tomponandraikitra. Ady amin’ny kolikoly izay, mitondra ho amin’ny fanovana ny firenena.
Fiaraha-miasa samy mahazo tombony
Vonona mandrakariva amin’ny fiaraha-miasa ny fitondrana, rehefa samy mahazo tombony. Tsy afa-mivoaka i Madagasikara rehefa tsy misy ny fiaraha-miasa amin’ny hafa sy ny fandraisana vahiny mpampiasa vola. Tsy tokony hanana ahiahy ny amin’izany i Frantsa, fa misokatra amin’ny rehetra i Madagasikara.
“Misokatra amin’ny rehetra i Madagasikara. Afaka miara-miasa amin’i Amerika, Frantsa, Rosia, indrindra i Afrika satria Afrikanina aho”, hoy izy. Tsy mbola ao anatin’ny Tetezamita izao, fa ao anatin’ny fanorenana ifotony ny Repoblika. Miezaka mamaly ny fitakiana ny fitondrana ao anatin’ ny fe-potoana tena fohy. Hamaliana izany ny hametrahana vovonana hahazoan’ny tanora maneho ny heviny amin’ny alalan’ny parlemantan’ny tanora. Eo koa ny fikaonandoham-pirenena ato ho ato, hahazoan’ny mpisehatra rehetra misy maneho ny faniriany sy ny fitakiany.
R. Nd.




