Mbola mifangaro hatramin’izao: Olon’ny fahalalana ny Malagasy…

Tsy nisy ny sekoly tahaka ny ahitana azy ankehitriny. Tsy nisy ny toeram-panandramana isan-karazany. Na ny soratra voarafitry ny alfabeta aza, tsy nisy… Tsy nataon’ny Malagasy ho sakana izany fa niaina sy nampiasa ny nomen-Janahary azy izy.

Taona 2025, mbola misy manafangaro ihany ny atao hoe fahaizana sy fahalalana, ny fahalalana sy ny finoana, sns. Tsy mba na­nana ireo fitaovana isan-karazany hoenti-mandrefy, na ma­noratra, na manandrana, sns, izy. Tsy nanana sekoly (ahi­tana rindrina efatra) nentina nampitana fahaizana sy nandrefesana izany fahaizana izany (diplaoma, mari-pahaizana)… Noho izany, ny fahalalana ny tontolo manodidina azy no namolavola sy nitaiza ny maha olona azy (fanahy, fo, saina, vatana). Tsy niala ta­min’ny voajanahary (na zavaboahary) sy ireo lamina napetrany ireny fahalalana ireny. Rehefa nolalovan’ny aretin-kibo ny Malagasy, nampia­sainy ny mandravasarotra sy ny ravina goavy. Hanom­boka zavatra na asa lehibe, nampiasainy ny volana eny an-danitra, sns. Fahalalana avokoa ireny.
Tsy nitazona na namihina ny fahalalany ny Malagasy fa nampita izany tamin’ny alalan’ ny takariva amorom-patana, dinika sy tafa, angano, arira, anatra… Ny ray aman-dreny no nanatanteraka izany tao amin’ny ankohonana. Ireo fo­tsivolo amin-tany (raiaman­dreny sy olon-kendry ary olon’ ny fahalalana) kosa raha teo amin’ny fiarahamonina. Satria, nahatokisana ireo. Tsy nisy nitady porofo tamin’ireo lo­vam-pahalalana nananan’ny razany ny Malagasy.
… Io fikatsahana na fitadiavana porofo avy amin’ny fahalalana io no tsy tafiditra tao anatin’ny fahaizana ka na­hatonga ny vahiny hivoy mafy ny « finoana ». Nam­baran-dry zareo sy hizingizininy fatratra fa finoana na finoanoam-poana ny fahalalan’ny Mala­gasy. Rehefa nafangarony ta­min’ny fivavahana indray izany avy eo dia nanjary « asan’ny maizina ».
… Io fomba fiheverana vahiny io no nanjary nibahan-toerana ao anatin’ny fiara­hamonina malagasy ka na­ha­tonga azy ho sadasada tahaka izao.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: