Anisan’ny adin-kiragasy goavana indrindra hatramin’izay. Hotanterahina etsy amin’ny Kianja Ra Petit, ambadiky ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny alahady 30 novambra izao, manomboka amin’ny
10 ora maraina, ny « Hiragasy makotroka ». Hikatroka amin’izany ny tarika Rasoalalao Kavia avy any Ampahimanga sy ny tarika Fredy Kely avy any Imerintsiatosika. Tarika roa samy manana ny lazany. Samy manana ireo kalaza ao aminy. Samy manana ny mampiavaka azy ihany koa.
Mivelatra be sy haingana ny tontolon’ny kabary. Raha teo amin’ny fiarahamonina malagasy. Iray amin’ireo fomba na fitaovana nentina nanabe sy nitaizana izy io. Noho izany, efa tokony ho hita sy hipaka any amin’ny ankohonana, mpiray tanàna, sns, ny fisian’ny mpikabary. Hatramin’izao, anefa, misy ihany ny fiovana vokatry ny fisian’ny mpikabary, saingy, mbola vitsy sy bitika raha oharina amin’ny fivelaran’ny tontolon’ny kabary.
Mbola lavitra ny lalana ho any amin’ny fahamarinan-toeran’ny fanabeazana. Hatramin’izao, mbola ao anatin’ny an-kitsapatsapa hatrany ny tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara. Toa tsy hitan’ny ray aman-dreny ny hametrahany ny tongony manoloana ny ataon-janany. Fomba fitafy mamoafady, tsy sahiny tenenina. Zaza sy ankizy maditra, tsy sahiny kapohina. Tanora diso lalana, tsy sahiny hanarina… Dia ho aiza ity tanindrazana ity atsy ho atsy?




