Volonandro fety! Antomotra ny volana desambra, hanamarika ny Noely sy ny faran’ny taona. Miomana amin’izany sahady ny orinasa Star ka hamoaka zava-pisotro mamy, ny divay Valmont sy ny Caprice Noël ary ny labiera THB Noël. Karazana divay mena, avy any Espaina, ahitana tahan’alikaola ny Valmont, arotsaky ny orinasa Star Ambatolampy anaty tavoahangy, amin’ny habeny 50 Cl. Efa hita eny amin’ny tranombarotra lehibe eto Antananarivo, nanomboka ny oktobra 2025 teo. Hiparitaka any amin’ ny faritra tsy ho ela.
Vokatra tena vita malagasy kosa ny Caprice, horavahina ny lokon’ny Krismasy, misy sarin’i Dadabe Noely, amin’izao vanim-potoana fety izao, sady ahitana ny loko maitso, manamarika ny maha malagasy. Efa hita manerana ny Nosy, nanomboka ny tapaky ny volana novambra teo. Tsy miova, mitovy amin’ny vidin’ny Caprice mahazatra ihany.
Novokarina manokana, ho fankalazana ny Krismasy, manamarika ny marika THB, ny vokatra mandalo, THB Noël. Efa miparitaka manerana ny Nosy, nanomboka ny tapaky ny volana novambra teo ihany koa izany. Tsy miova ny vidiny, anaty tavoahangy 65 Cl, toy ny mahazatra. Manana ny tsirony manokana, hamantarana ny labiera vita malagasy, tsy manolo, fa manampy ny THB mahazatra ny THB Noël.
Manamarika ireo vokatra telo vaovao navoakan’ny Star ireo, fa mamaly sy mitsinjo ny filàna ary manakaiky ny mpanjifa hatrany ity orinasa indostrialy ity.
Njaka A.




