Nankatoavin’ny Filankevitry ny minisitra ny fampitana am-bava avy amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina momba ny asa efa natao mahakasika ny fametrahana daty tokana hankalazana ny «Taom-baovao malagasy ». Manokatra lalana mankany amin’ny fametrahana ny fankalazana ny nentin-drazana ho andro tsy iasana nefa andraisan-karama manerana an’i Madagasikara izany. Mbola maromaro anefa ny asa miandry vao ho tonga amin’izay, ary efa tsinjo fa tsy ho mora. Vao tamin’ny fakan-kevitra farany teo mantsy dia efa nifandona indray ny hevitra tamin’ireo samy mpandala ny netim-paharazana…
Tarika Zandry Gasy, eny amin’ny Noor Tower Ambohitrarahaba. Anio amin’ny 8 ora ity fiarahana ity, hanomezana laka indray ny “ba gasy mazia romotra”, araka ny famaritan’ny Zandry Gasy ny mozikany. Tohin’ny fankalazana ny faha-15 taona hatrany izany, ka hamerenana indray ireo hira vakoka sy hivoizana ihany koa ireo sanganasan’ny tarika. Maromaro ireo efa voarakitra anatin’ny rakikira farany sy anatin’ny rakikira fahatelo izay vao ho avy.
“Festival Madagaslam”. Hitarika atrikasa, anio amin’ny 10 ora maraina, eny amin’ny ADMC/Craam, i Raspyek. Anisan’ireo vahin’ny hetsika avy any Seychelles izy. Anio amin’ny 2 ora tolakandro ihany koa ny famaranana ilay fifaninanam-pirenena momba ny slam, eny Ankatso. Hamaranana ny tontolo andro, eny amin’ ny GV INN andrefan’Ambohijanahary, manomboka amin’ny 6 ora hariva, ilay hetsika “3 mn”, hanentanana ireo mpanakanto hanomana hira, slam-pozia, dihy, teatra, sns, tsy mihoatra ny 3 minitra.




