Tontolon’ny mozika rock sy metaly. «Metalscene Beasts», fampisehoana hotanterahin’ny Nocturnal sy Mania, any Toamasina, ny alahady 30 novambra izao, manomboka amin’ny 3 ora sy sasany tolakandro. Ao amin’ny efitrano fanaovam-petin’ny sekoly Sacré Coeur, Tanambao no hanaovana izany. Nocturnal sy Mania, tarika roa anisan’ny manana traikefa matanjaka eo amin’ny fitondrana eny an-tsehatra ny mozika rock sy metaly. Iray amin’ireo tarika nitondra fivelarana lehibe eo amin’ny tontolon’ny mozika rock sy metaly tany Toamasina rahateo ny Nocturnal. Maro ireo fampisehoana efa notanterahin-dry zareo tany an-toerana. Hitondra ireo sanganasan’ny tarika tsy afaka eo am-bavan’ny mpitia mozika mavesatra ihany koa ny Mania. Efa andrasan’ny rehetra rahateo ny «Ny lasanao», «Ianao ihany», «Valin-teny», sns. Marihina fa tarika miangaly ny mozika rock sy metaly manome lanja fatratra ny tononkira ny Nocturnal sy ny Mania. Tononkira mahasahana lafim-piainana isan-karazany. Iray amin’ireny ny tontolon’ny fitiavana.
… Fampisehoana karakarain’ny Manokana (Rock & Fusion) sy ny Giant Event ary ny Rock 501 izay mpiara-miasa amin-dry zareo izy ity.
HaRy Razafindrakoto




