Nankatoavin’ny filankevitry ny governemanta, ny 26 novambra. Daty tokana ny hanamarihana ny “Taombaovao Malagasy”.
Tsy mora io. Asa goavana sy mafy ny miandry ny minisitera. Na tanteraka soamantsara ka hisy ilay “marimaritra iraisana amina daty tokana”, na hanamafy ny fisaraham-bazana efa misy. Niaraha-nahita fa nisy fifandonana ara-poto-kevitra goavana be teo amin’ireo samy mpitarika vondrona amin’ity resaka fomba amam-panao malagasy ity. Nisy ankolafy telo mihitsy aza, tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny 13 novambra. Samy miziriziry amin’ny azy ireo mpandala ny “Taombaovao Marsa-avrily”, ny “Taombaovao Alahamadibe” ary ny “Taombaovao lohataona”.
Tsy latsaky ny 5 ny minisitra nisahana ny kolontsaina nifandimby, no niantso fampihavanana : “mifanaraha aloha ianareo samy ianareo, dia omeo anay ny marimaritra iraisana”. Na izany aza, nahavita ny fakan-kevitra isam-bondrona ihany izy ireo, ka voafintina ary niarahana natolotra ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera izany, ny alakamisy teo. Voarain’ny fitondram-panjakana ny tolo-kevitra. Efa mazava ny finiavana, raha ny nambaran’ny minisitra Mandrindrarivony Ogascar. “Manome lanja ny fomba sy ny soatoavina izay apetraky ny tantara, amin’ny alalan’ny kolontsaina isika. Ny mampandroso ny firenen-kafa dia mandala ny kolontsainy, manaja ny fombany. Ny zava-dehibe, andao hamerina hasina ny kolontsaintsika. Samihafa ny fomba isam-paritra. Ny tanjona dia mifanaja ny fomba malagasy”, hoy ny minisitra.
Zo ny Aina




