Vonona handray anjara amin’ny dingana hahatongavana amin’ny fanavaozana ny eo anivon’ny fikambanana Silamo sy ny “Comité nationale de concertation citoyenne des Musulmans ». Noraisin’ny minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny fanavaozana, Razafimanantsoa Hanitra, izy ireo, omaly.
Mangataka ny Pr Rabesa Zafera Antoine hatao lehiben’ny faritra Boeny ireo tangalamena sakalava. Anisan’ny miandrandra ny fanendrena azy ireo ray aman-dreny mpandala ny fomba sakalava, ireo olobe mpitahiry ny fomban-drazana ao amin’ny doany Miarinarivo efa-dahy manan-kasina ao Tsararano Ambony, Mahajanga.
Maherin’ny 2 000 ireo kandidà nametraka dosie firotsahana ho lehiben’ny faritra miisa 24. Nilaharana ny fanaterana izany teny amin’ny minisiteran’ ny Atitany Anosy, omaly. Mbola maro koa anefa ireo nametraka ny antontan-taratasiny any amin’ny faritra tsirairay. Tsiahivina fa nifarana omaly ny fe-potoana fanaterana izany.
Hentitra ny eo anivon’ny Otrikafo, amin’ny alalan’ny mpitarika, Rabevahiny Elia. Nambarany fa mila mokondoha sy fitiavan-tanindrazana ary finiavana politika ny fanovana. Azo atao ny miala amin’ny mpamatsy vola. « Mila ekipan’ny filoha hitondra ireo paikady hanarenana ny firenena fa tsy hofendrofendroin’ ny sasany eto isika », hoy izy.




